Skip to main content
Illustration featuring key people in the article below, focused on Madagascar
Illustration by Sandbox Studio, Chicago with Kimberly Boustead

Làlan'i Madagasikara mankany amin'ny fizika “neutrino”

I Laza Rakotondravohitra no mpianatra Malagasy voalohany manana mari-pahaizana, nanao fikarohana momba ny fizika “neutrino”. Miezaka hatrany izy, sy ny olona hafa toa azy, mba hahazoany antoka fa tsy hitsahatra eo amin’izy ireo ny fanaovana izany.

I Miriama Rajaoalisoa dia nikasa ny hanohy fianarana mikasika ny “nanotechnologie”, rehefa nahazo ny mari-pahaizana “Licence” tao amin'ny Oniversiten'Antananarivo Madagasikara. Saingy nanova ny heviny, ny lahateny nataon’ny mpahay siansa anankiray mikasika ny “neutrino”, tamin'ny taona 2015. Nahasarika an-dRajaoalisoa ireo poti-javatra saro-takarina sy tsy hita maso, nazavain’ilay mpahay siansa. “Tamin'izay aho no nanapa-kevitra hiditra amin’ny sehatry ny fanandramana mikasika ireo poti-javatra mandrafitra ny fizika”, hoy izy.

Mety tsy ho mora izany. Tsy mbola nisy andrana mikasika ny “neutrino” mantsy teto Madagasikara, ary mety ho sarotra ny mifandray amin'ireo mpanao andrana sy fizisianina avy amin'ny firenena hafa. Efa afaka mampiasa aterineto haingam-pandeha i Madagasikara, amin'ny alalan'ny tarobiam-pifandraisana ambany ranomasina (Submarine Cable System) avy amin’ny faritra Atsinanan’i Afrika, saingy ny hany fomba ahafahan'ny mpianatra Malagasy mampiasa izany, dia amin'ny alalan'ny solosaina efa ratsy sy nilaozan’ny toetrandro, hita any amin'ireo trano be kotaba ahafahana mahazo aterineto (cybercafé), sady voaelingelin’ny fahatapahan-jiro isan'andro.

Na izany aza dia fantatr’i Rajaoalisoa fa azo tanterahina ny nofinofiny, satria ilay mpahay siansa tonga tao amin'ny oniversite nianarany, dia efa nahatanteraka izany. Nanokatra ny làlana ahazoana mari-pahaizana dokotera mikasika ny fianarana “neutrino” i Laza Rakotondravohitra, izay iray tamin'ny mpianatra malagasy dimy tao amin'ny Sekoly Afrikanina voalohany momba ny Fizika (African School of Physics).

Ankehitriny i Rajaoalisoa dia mpianatra ho dokotera, sy mpikambana ao amin’ny “Deep Underground Neutrino Experiment” (DUNE) ao amin’ny Oniversite an’i Cincinnati, ary i Rakotondravohitra, izay fizisianina mikasika ny fitsaboana, dia mbola milofo hanampy ireo mpianatra malagasy mianatra ny fizika.

Illustration of workers monitoring screens with a representation of the DUNE experiment in the background
Illustration by Sandbox Studio, Chicago with Kimberly Boustead

Avy any Madagasikara nankany amin’ny “Fermilab”

Tao amin'ny Sekoly Afrikana momba ny Fizika (African School of Physics) no niatombohan’izany rehetra izany, tamin’ny alalan’ny fandaharam-pianarana naharitra telo herinandro, nampianatra mikasika ny fizika amin’ny lafiny teorika, sy fanandramana ary fampiharana. I Rakotondravohitra dia anisan’ireo mpianatra sivy amby dimapolo (59) tao amin’io sekoly io, tamin’ny taona 2010, izay tany Afrika Atsimo.

Sady traikefa nanokatra ny maso, no fanamby ho an-dRakotondravohitra io fandaharam-pianarana io. Tany amin’ny oniversite nianarany dia niteny frantsay sy malagasy izy sy ireo mpiara-mianatra malagasy namany, fa tamin’ny teny anglisy kosa no nampianaran’ireo profesora tao amin’ny sekoly momba ny fizika. Tsaroan-dRakotondravohitra ny nandanian’izy sy ny iray tamin’ireo namany, takariva iray manontolo, tao amin'ny labôratoara informatika, namerenan’izy ireo namaky ny fianarana nataony mba hahazoany antoka fa azon’izy ireo tsara izany. “Na izany aza dia vetivety ihany izahay dia nahay izay zavatra nianarana” hoy izy. “Mitovy ny fizika na inona na inona fiteny ampiasaina.”

Rehefa nahavita ny fianarana nahazoany ny mari-pahaizana “Master” i Rakotondravohitra, ny taona 2012, dia voaray ho mpiara-miasa iraisam-pirenena tao amin’ny Departemantan’i Etazonia miandraikitra ny Angovo “Fermi National Accelerator Laboratory”.

Mankasitraka ireo mpikarakara tao amin’ny sekoly afrikana (African School of Physics) - Christine Darve, Kétévi Assamangan sy ny ekipany - ary koa i Young-Kee Kim, tale lefitry ny “Fermilab” izy, tamin'ny famporisihan’izy ireo azy, handefa fangatahana hanaraka ny fandaharam-pianarana. “Feno fankasitrahana hatrany ny fahaiza-mitantana ao amin’ny sekoly afrikanina momba ny fizika (African School of Physics) aho, satria nanokatra varavarana maro ho ahy izy ireo”, hoy Rakotondravohitra.

Nandritra ny fotoana nahazoany ny vatsim-pianarana, dia nipetraka tao amin'ny efitrano fatoriana tao amin'ny anjerin’ny “Fermilab” izy, ary nandray anjara tamin'ny “MINERvA” fanandramana mikasika ny “neutrino”, teo ambany fanaraha-mason'i Jorge Morfín, mpahay siansa tao amin’ny “Fermilab”. “Nampatahotra ny niasa tao amin'ny labôratoara, tamin'ny voalohany”, hoy izy. Fa avy eo izy nihaona tamin’ny mpianatra dokotera vahiny hafa, David Martinez, avy any Kôlômbia. Ary hitan’izy roalahy, fa sahala ny ady natrehin’izy ireo.

“Nanano sarotra izahay tamin’ny vao tonga”, hoy Rakotondravohitra. “Tsy fantatray akory izay zavatra tsy hainay.”

Nianatra ny lafiny teorika mikasika ny fizika izy ireo, saingy tsy toy ny ankamaroan'ireo mpiara-miasa taminy avy any Etazonia, satria tsy nanana traikefa tamin'ny fanaovana andrana. Ka noho izany dia tsy maintsy nianatra namolavola andrana, sy namakafaka angona (tahirin-kevitra) ary nampandeha mpitsirika.

Vitan’izy roa lahy izany, tamin’ny nahazoany ny mari-pahaizana dokotera (PhD), ny taona 2015. Ary i Steven Dytman, iray tamin’ireo mpiara-miasa taminy tamin’ny “MINERvA”, sady profesora ao amin’ny Oniversiten’i Pittsburgh, dia nandeha nanatrika ny fanohanana foto-kevitra (thesis) nataon’i Rakotondravohitra tany Madagasikara.

Taorian'izay i Martinez dia lasa mpikaroka “postdoctoral” tao amin’ny fianarana ambony momba ny teknôlôjia ao Illinois (Illinois Institute of Technology) any Chicago, no sady nanohy ny fandraisana anjara tamin'ny andrana tao amin’ny “Fermilab”. I Rakotondravohitra kosa dia nanohy fianarana nahazoany mari-pahaizana manokana momba ny fizika ara-pitsaboana, tao amin’ny oniversite “Wayne State sy Duke”.

Manampy ny hafa

Nifandray hatrany izy mirahalahy, ary nanapa-kevitra ny hiara-hiasa hanohana ireo mpianatra toa azy.

Tamin’ny voalohany dia nanampy ireo mpianatra avy any Madagasikara sy Kôlômbia izy ireo, hitady sy hangataka vatsim-pianarana ahafahana mianatra ny fizika any Etazonia. Namiratra ireo mpianatra, saingy tsy nisy voaray ny fangatahan’izy ireo.

Tsy ela akory dia tonga saina i Rakotondravohitra sy Martinez, fa ny zavatra tsy ampy tamin’izany fangatahana izany dia ny traikefa mikasika ny fikarohana, izay norantovan’izy ireo nandritry ny vatsim-pianarana azony.           

Novainy ny tetika, ary niezaka nanome fiofanana ny mpianatra izy ireo. Nomen’i Martinez tetik'asa kely mifandraika amin'ny fandaharana (programming) sy ny fizika “neutrino”, izay afaka notanterahina avy lavitra, ny mpianatra. “Naneho hafanam-po lehibe ireo mpianatra tamin’ny fikarohana nataony”, hoy Rakotondravohitra. “Vitan’izy ireo ara-potoana foana ny asany.”

Tsy nisy nandà intsony ireo mpianatra, rehefa nahazo traikefa fanampiny. Enina (06) amin'ireo mpiofana avy amin’ny ekipan’i Madagasikara, sy efatra (04) avy amin’ny Kôlômbia, amin'izao fotoana izao, no voasoratra anarana amin'ny fandaharam-pianarana ahazoana mari-pahaizana ambony any Etazonia, ary misy hafa koa mandalina ny fizika any amin'ny firenena hafa, anisan'izany i Japana sy “India”.

“Betsaka ny mpianatra any Madagasikara sy amin’ny firenena afrikanina hafa no tena liana amin’ny asa siantifika, saingy tsy manana fahafahana hanao izany”, hoy i Manoa Andriamirado, mpianatra Malagasy an-dalam-pahazoana ny mari-pahaizana dokotera (PhD) ao amin’ny fianarana ambony momba ny teknôlôjia ao Illinois (Illinois Institute of Technology). “Tena zava-dehibe ny zavatra ataon’i [Rakotondravohitra sy Martinez]. Nanova ny fiainako izy ireo.”

Hoy i Martinez, izay profesora mpanampy ao amin'ny departemanta fizika ao amin'ny sekolin'ny harena an-kibon'ny tany sy ny teknolojia (School of Mines and Technology) any “Dakota” Atsimo, ankehitriny, hoe tena mahafinaritra ny mahita ny fahombiazan'ny mpianatra. “Heveriko fa manomboka hitan’ny vondrom-piarahamonina siantifika fa betsaka ny mana-talenta avy amin'ireo faritra ireo.”

Ny toeram-pampianarana afrikanina voalohany niditra ao amin'ny DUNE

Nanamora ny fandraisan'ny mpianatra malagasy anjara amin'ny fikarohana mikasika ny “neutrino”, amin'ny fomba hafa sy tsaratsara kokoa i Rakotondravohitra sy i Martinez.

Ny taona 2015, i Rakotondravohitra, dia niantso ny profesora Roland Raboanary, mpampianatra nampiofana azy tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, raha toa izy ka liana hanatevin-daharana, amin’ny fanatanterahana tetikasa sangany izay an’ny “Fermilab” mikasika ny “neutrino” (Fermilab’s flagship neutrino project), “Deep Underground Neutrino Experiment” iraisam-pirenena, mitondra ny anarana hoe ainga fototra ho fanamorana ny andrana mikasika ny “Neutrino” (Experiment at the Long-Baseline Neutrino Facility).

Nanao fangatahana i Raboanary sy Rakotondravohitra, narahan’ny tari-dàlan’i Martinez, ka tamin’io taona io i Madagasikara no firenena afrikanina voalohany nanana solotena tao amin’ny DUNE. “Isika irery no firenena afrikanina ao, amin’izao fotoana izao, fa manantena ny hafa izahay hanatevin-daharana izany”, hoy Rakotondravohitra.

I Rakotondravohitra, izay fizisianina misahana ny taratra miteraka homamiadana (radiation oncology) any Texas, ankehitriny, dia eo anivom-panatanterahana tetikasa lehibe vaovao, mikasika ny: fananganana labôratoara eto Madagasikara, ahafahan'ny mpianatra mahazo loharanon-karena, toy ny solosaina manara-penitra sy fifandraisana aterineto azo antoka, hanampiana azy ireo amin’ny fikarohana ataony.

Ny taona 2019, i Dytman, ilay niara-miasa taminy tamin’ny “MINERvA”, ary nitsidika ny oniversite nianaran-dRakotondravohitra, nandritry ny fanohanany ny foto-kevitra (thesis) nataony, dia niara-niasa taminy, tamin’ny fanomezana solosaina, efa niasa, maherin’ny efapolo (40) isa, avy amin’ny Oniversiten’i Pittsburgh ho an’ny Oniversiten’Antananarivo.

Amin’izao fotoana izao, i Rakotondravohitra, i Dytman, sy Martinez ary Fenompanirina Andrianala, profesora mpiara-miasa ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, sady mpikambana ao amin’ny DUNE, dia miara-miasa mba hanomezana fitaovana bebe kokoa avy any Etazonia ho an’i Madagasikara. Manantena ny ekipa fa ahatsangana labôratoara vaovao sy afaka hiasana avy hatrany, ato anatin’ny roa taona.

Manantena ihany koa i Rakotondravohitra, fa hitombo hatrany ny isan’ireo mpianatra mahomby, amin’ny fianarana ny fizika mikasika ny poti-javatra, eto Madagasikara.

“Ny tena fanantenako dia ny hahombiazan’ny mpianatra tsirairay, sy hanohizan’izy ireo ny fanampiana ireo mpianatra hafa” hoy izy. “Ary hazoto hiverina any Madagasikara ny mpianatra rehetra indray andro any”.